Sosialy

Tsena eto an-drenivohitra Horavana avokoa ireo miorina manoloana ny biraom-panjakana


  • Zoma 19 Jona 2020

Mitohy ny fandravana ireo tsena voalaza fa tsy ara-dalana tanterahin’ny kaominina Antananarivo renivohitra.

 

 

 

Ankoatra ireo efa niaraha-nahita andro maromaro lasa izay dia horavana daholo ihany ka ireo tsena manoloana ny biraom-panjakana eto an-drenivohitra. Ho an’ny etsy Tsaralalana ohatra dia esorina avokoa ireo tsena mety manelingelina ny asan’ireo mpitsabo miasa ao amin’ny hopitalin’ny zaza eny an-toerana sady ho fitandroana ny fahasalaman’ny marary ihany koa. Toraka izany ny manakaiky ny masoivohon’i Frantsa izay biraom-panjakana mitohy miakatra miazo an’Ambatomena. Na izany aza anefa dia nanambara kosa ny tompon’andraikitra ny tsena eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra fa efa eo am-pijerena ny toerana hamindrana ireny mpivarotra ireny ny Ben’ny tanana Naina Andriantsitohaina sy ny ekipany ankehitriny. Hisy ny foto-drafitrasa vaovao hatsangana hahafahana mamaly ny filàn’ny mponina. Ho an’ireo mpivarotra amoron-dalana eny Anosibe sy Namontana kosa dia fantatra fa hitohy ny fanalan’ny kaominina azy ireny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT