Sosialy

Tsena Anosibe Tery teo am-pisokirana vary ny tanan’ilay zazalahy


  • Alatsinainy 13 Jolay 2020

Nanararaotra ny fahanginana sy ny fikatonan’ny tsena mpivarotra PPN aorian’ny mitatao vovonana, araka ny noferan’ny fanjakana amin’izao

 

 

hamehana ara-pahasalamana ato amin’ny Faritra Analamanga ho fisohana ny fihanaky ny valanaretina covid19, ny mpanao ratsy toy ny niseho tetsy Anosibe tsena. Teo amin’ny elanelan’ny takela-baravarana vita amin’ny vy manidy ny tsena no nisokiran’ny tovolahy kely iray ny fotsimbary amin’ny gony tao anaty tsena. Nihitsoka tao ny tanany ary dia noraisim-potsiny ara-bakiteny izy. Sahabo ho iray kilao teo ny vary efa voasikotra. Anisan’ireo andiana ankizy manao asa ratsy eny Anosibe eny ity zazalahy tratra ity. Ny ray aman-drenin’izy ireo ihany no voalaza fa mivarotra eny manodidina ihany ny entana halatra.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT