Tsena anaty arabe in-telo isan-kerinandro

Toherin’ireo mpivarotra sy mponina ao Analakely


  • Talata 23 Aprily 2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

ny tsena kasain’ny kaominina Antananarivo renivohitra hatao izay hanomboka tsy ho ela. Raha araka ny fantatra dia tena hiteraka korontana ho azy ireo izany no sady mety hitarika tsy fandriampahalemana ihany. Raha ny fitarainan’ny Renim-pianakaviana iray mponina eny an-toerana dia ny faran’ny herinandro izy ireo no mba maka aina raha efa tabataba lava no hiainany eny Analakely sy ny manodidina isan’andro ary tsy mijanona izany na dia alina aza ny andro. Ho an’ireo tompona magazay kosa indray dia ny andro Alahady izy ireo no mba tsy mivarotra nefa lasa atahorana ny resaka fandriampahalemana noho ny hamaroan’ireo olona mety hivezivezy eny Analakely sy ny manodidina. Ireo mponina sy magazay eny amin’ny ny làlana Andrianampoinimerina – Rabefiraisana miampy ireo mpivarotra ao amin’ny pavillon Analakely sy ny tsena Anjomakely moa tena manda fatratra ity fandaminana kasain’ny kaominina hatao ity ka nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly folakandro. Notsiahivin’izy ireo fa tsy nisy ny fakan-kevitra tamin'izy ireo talohan’ny namoahan’ny kaominina izao hevitra vaovao izao. Efa nandefa taratasy fandavana ho setrin’izany moa izy ireo koa andrasana ny mety ho valin-tenin’ny kaominina. Tsiahivina fa manomboka ny andro Zoma ka hatramin’ny Alahady io fandaminana ny mpivarotra amoron-dalana kasain’ny kaominina hatao etsy Analakely io. Tsy afaka mampiasa ilay toerana kosa ireo mpivarotra ny andron’ny Alatsinainy ka hatramin’ny Alakamisy.
Pati
Legende : Ireo mponina sy mpivarotra manodidina an’Analakely nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT