Sosialy

Tsena an-davanandro Midangana izay tsy izy ny vidin’ny legioma


  • Sabotsy 28 Martsa 2020

Midangana izaitsizy ny vidin’ny legioma eny an-tsena. 1.000 Ar isan-kilao ny fiarakany raha kely ka tena mampikolay ny isan-tokantrano tokoa .

 

 Ho an’ny karaoty ohatra dia tafakatra 3.000 Ar latsaka ny iray kilao raha 1.600 Ar teo aloha. Tafakatra 2.600 Ar ny iray kilao amin’ny ovy raha 1.700 Ar teo aloha. Toraka izany koa ny voatabia izay tsy mahazo intsony 200 Ar fa tsy maintsy 500 Ar nefa voany roa monja…. Noho ny tsy fisian’ny fiara fitaterana ka hiloloavana ireny karazan’entana ireny miainga eny Namontana sy Anosibe no nambaran’ireo mpivarotra fa anton’izany. Amin’ny ankapobeny mantsy dia saika miantehitra amin’ny taxi-be avokoa ireo mpivarotra legioma madinika ka raha vantany vao tsy nisy ny fiara fitateram-bahoaka dia tsy maintsy mampiasa tongotra izy ireo. Ora telo anefa no hanaovan’ny lehilahy matanjaka iray ny tsenan’Anosibe miazo an’Itaosy maka entana, miainga amin’ny 04 ora maraina isan’andro. Nanambara araka izany ireo mpivarotra fa ankoatra io havizanana ateraky ny dia an-tongotra io dia tsy maintsy hampidirina anatin’ny vidin’entana ihany koa ilay fotoana tsy hahafahany mivarotra amin’ny hariva mba tsy hahafaty antoka azy ireny.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT