Sosialy

Tsaramandroso – faritra Boeny Raikitra ny fizarana kopia maimaimpoana sy kara-tany faobe


  • Alarobia 02 Martsa 2022

Miisa 1000 ireo zaza no tsy manana kopia nahaterana hoy ny ben’ny tanana kaomina Tsaramandroso faritra Boeny ka antony nanaovan’ny kaomina hetsika fizarana maimaaimpoana azy io mba ahafahana manampy ireo

 raiamandreny hikarakara ny antontan-taratasy ireo zanany rehefa eny anivon’ny toeram-pianarana sy ny fikarakarana kara-panondrom-pirenena misy azy tsirairay. Ankoatra ny fizarana ny kopia nahaterahana ho an’ny ankizy ao Tsaramandroso dia hiroso amin’ny fanomezana maimaimpoana ny kara-panondro ihany koa ny kaomina amin’ity herinandro ity ho an’ireo tanora tsy manana izany nefa efa feno taona. Fiaraha-miasa eo amin’ny fitsarana ao Mahajanga sy ny kaomina amin’ny alalan’ny tetikasa ny mpiara miombo antoka no afahana manatanteraka ny hetsika izay taratasy maha olom-pirenena. Ankoatra izay dia natomboka koa ny fandrefesan-tany faobe hoan’ireo vondron’olona marefo ao amin’ny kaomina Tsaramandroso. Fianakaviana 2000 no hahazo maimaimpoana ny taratasin-taniny ara-panjakana . olana hita eny amin’ireo kaomina ny tsy fananana ireo antontan-taratasy izay nanaovana hetsika faobe izay tsy handoavam-bola . ny fiadidina ny faritra Boeny rahateo no mitarika ny tetikasa fanampiana ny Malagasy hisitraka ireo antonta taratasy maha olom-pirenena . Hitohy amin’ny kaomina hafa ny hetsika tahaka ny natao tao amin’ny kaomina ambanivohitra Tsaramandroso faritra Boeny.
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT