Sosialy

Tsaralalana sy Analakely Nitokona nanoloa ireo mpivarotra amoron-dalana


  • Talata 21 Janoary 2020

Taorian’Anosy sy Anosibe ary Mahamasina dia nitohy teny Analakely sy Tsaralalana indray ny asa fandaminana ireo mpivarotra amoron-dalana notanterahin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra omaly, niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana.

 

 

 

 

 

Nambaran-dRandrianarisoa Rija, tale vaovao misahana ny tsena fa fandaminana mpivarotra no hatao fa tsy fanalana akory, araka ny baikon’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina. Ny lalana ho an’ny mpandeha an-tongotra sy ny arabe hoy izy dia tsy azo hivarotana mihitsy, antony nanalana ireo mpivarotra marobe izay nibahana teny rehetra teny. Tsy nisy afaka nivarotra ireto farany izay marihina fa renim-pianakaviana avokoa ny ankamaroany sady tsy manana antom-pivelomana hafa. Tonga nitokona nanoloana ny lapan’ny tanàna izy ireo omaly atoandro  ary nangataka fihaonana tamin’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina.  Tena nandray ny solontenan’izy ireo tokoa ny Ben’ny tanana ary nandefa ny talen’ny tsena vaovao  hijery toeran-kafa hivarotan’izy ireo.  Tsy misy aloha raha ny fantatra ny fotodrafitrasa vaovao handraisana azy ireo fa ny tsena efa misy toy ny eny Anosibe sy Namontana no ezahina halamina ary tsy hatao lafo ny hofany mba hampidirana azy ireo. Na izany aza anefa dia tsy nahafa-po ireo mpivarotra izany. Miantoka ny hanina hohaniny rahampitso mantsy ny vola matiny amin’ny tsena ka niverina niangavy tao amin’ny kaominina indray izy ireo mba hahafahany mivarotra toy ny teo aloha. Andrasana izay mety ho tohin’ity fanalana mpivarotra eto Antananarivo Renivohitra ity.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT