Sosialy

Tsarahonenana Antsirabe Tratra ilay mpianatra nanary zanaka tao amin’ny WC


  • Zoma 06 Novambra 2020

Tovovavy mpianatra iray avy any ambanivohitra vao 17 taona monja no nanary ny zanany velona tany an-davapiringina ny 04 novambra lasa teo tany Tsarahonenana Sahanivotry Antsirabe ka namoy ny ainy ilay tsy manan-tsiny.

 

 

 

Saron’ny zandary any an-toerana ity farany ka nosamborina avy hatrany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia niara-nipetraka tamin’ny zandriny ity tovovavy mpianatry ny lisea ity ary nanofa trano izy ireo. Nitondra vohoka nandritra ny 9 volana izy nandritra izany ka teraka vavikely. Raha vantany vao latsaka anefa ilay tsy manan-tsiny dia nofonosiny lamba, nataony tao anaty harona sachet plastika ka nariany tany an-davam-piringa. Olona iray tao anatin’ny fiaraha-monina no nahare io feon-jazakely io nitomany ka niantso ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana. Raha ny fantatra moa dia niezaka ny nanavotra ilay tsy manan-tsiny ihany ny rehetra saingy tsy naharitra intsony ny ainy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT