Sosialy

Tsarahasia Andralanitra Nirodana ilay vatobe 100 taonina


  • Alakamisy 18 Febroary 2021

Ny iray tamin'ireo vato be nahiana hiotsaka tamin'ny 2 taona lasa no nirodana omaly tamin'ny 12 ora teo,

 

teny amin'ny Fokontany Tsarahasina Vohitra Atsinanan'Andralanitra, Kaominina Ambohimangakely, dstrika Antananarivo Avaradrano, Faritra Analamanga. Tombanana hilanja 100 taonina eo ity vato be ity. Antony nampirodana ilay vato ny oram-be nikija naharitra satria “carrier” izy io, misy mpamaky vato . Tsy nisy kosa ny aina nafoy na naratra na koa fahasimbana. Araka ny voalazan’ny Tale Jeneralin'ny BNGRC dia efa mandeha ny fifandresehan-dahatra sy fifampiresahana amin'ny Fokontany sy ireo olona ireo mba hialan'izy ireo amin'ny tranony vonjimaika. 41 no isan'ny trano tandindomin-doza eny ary misy olona miisa 291 ao anatin’izany.


 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT