Sosialy

Tsarafaritra Tsimbazaza Ady gasy no hamakiana ilay vatobe


  • Zoma 10 Mey 2019

Tandindonin-doza ny mponina manodidina ireo vatobe ahiana hihotsaka eny Tsimbazaza, hoy ny sekretera mpanatanteraky ny biraom-pirenena misahana ny loza voajanahary eto amintsika na BNGRC,

 

 

 

 Elack Randrianjakarison, omaly, raha nanazava mikasika ny zava-misy momba ilay vatobe maherin’ny 500 taonina mitady hikodia indray eny an-toerana. Ny alarobia teo no nilaza ny tenany fa efa nidina ifotony sy nandresy lahatra ireo mponina mba handray fepetra mifanaraka amin’ny zava-misy. Rahampitso (TTF : anio), hoy izy, na farafahatarany amin’ny herinandro ambony no hanomboka ny famakiana io vatobe voalohany milanja 500 taonina io. Ady gasy no hamakiana ilay vato be ka 1 ka hatramin’ny 2 volana no haharetan’ny asa. Tsy maintsy afindra toerana ihany koa ireo olona tena manakaiky ny toerana misy ilay vato, raha ny filazan’ny sekretera mpanatanteraky ny BNGRC .Misy trano efa nambara fa tena tsy azo ipetrahana intsony eny an-toerana satria mety hampidi-doza. J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT