Sosialy

TSARAFARA MORAMANGA 8 km isan’andro ny dian-tongotra ataon’ny mpianatra


  • Talata 20 Aogositra 2019

Tena mijaly amin’ny fitadiavana sekoly ireo mponina ao amin’ny faritra Nosibefody, fokontany Tsarafara, kaominina sy distrikan’i Moramanga.

 

 

8 km isan’andro mantsy ny dia an-tongotra mandroso sy miverina hataona mpianatra iray mandranto fianarana eny anivon’ny EPP noho ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa. Matory fotsiny vokatr’izany ny ankamaroan’ny mpianatra rehefa tonga any an-tsekoly, hany ka mitotongana hatrany ny voka-panadinana. Anisan’ny fikambanana tonga nanohana ireo mponina any an-toerana ny AS-TAFIM, tarihin’ny filoha nasionaliny Ramamonjisoa Fulgence. Nanangana sekoly iray ao Nosibefody izy ireo, misy efitrano maromaro. Vokatry ny ezak’ireo mpikambana ihany no nahafahana nanangana izany. Efa vita soa aman-tsara ankehitriny ny fotodrafitrasa ary miezaka milofo amin’ny fanamboarana ireo dabilio hianaran’ny mpianatra indray izy ireo. Mangataka ireo malala-tanana vonona ny hanohana azy ny AS-TAFIM hahafahana mamita tanteraka ny asa. Kasaina hatolotra ny fitondram-panjakana hatao sekoly ambaratonga fototra hiasa manomboka amin’ity taom-pianarana vaovao 2019-2020 ity mantsy ny fotodrafitrasa.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT