Sosialy

Tsakitsaky amoron-dalana 300 Ar ny mofo gasy, misy 1000 Ar ny kafe


  • Zoma 08 Aprily 2022

Mbola tena mitana anjara toerana lehibe ho an’ny tokantrano Malagasy izany fihinanana kafe sy mofo izany.

Misy ny zatra manao azy io ho sakafo maraina mihitsy ankoatra ireo mividy izany mba hanaovana ody ambavafo eny anelanelam-potoana. Misy koa ireo mametraka azy ho sakafo atoandro rehefa tsy ampy ny eo am-pelatanana. Tena nampiteny ny moana anefa ny fiakaran’ny vidin’izy ireny nanomboka afak’omaly. Ho ana mpivarotra iray eny amin’iny faritra Analamahitsy iny ohatra dia tafakatra 300 Ar ny iray amin’ny mofo gasy raha 200 Ar teo aloha. 300 Ar ny menakely raha 400 Ar ny makasaoka. Tafakatra 500 Ar kosa ny mofo akondro raha 600 Ar ny mofo baolina. Ho an’ny kafe indray dia tafakatra 1200 Ar ny erany misy ronono, 1000 Ar ny tsotra raha 800 Ar sy 600 Ar ny tapany. 1.000 Ar kosa ny ronono velona eran’ny kaopy raha 600 Ar ny tapany. Raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra dia noho ny fiakaran’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro no mahatonga izany toy ny ronono, ny siramamy, ny menaka….Na izany aza anefa dia efa diso tafahoatra kosa ny fanararaotana hataon’ireto mpivarotra ireto. Efa mihoatra ny 70% mantsy ny tombony alain’izy ireo izay marihina fa tsy misy fifampitsinjovana mihitsy. Na izany aza dia marihina fa tsy ny mpivarotra kafe sy mofo rehetra no manao izany fa ny sasany ihany. Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT