Sosialy

Trondro maloto Eny Ivato, Ambohibao, Ambohimanarina no hamarotana azy


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Lehilahy roa avy nanarato trondro maloto tao amin'ny ranon'ny Marais Masay no tratran'ny polisin’ny boriborintany fahenina omaly alarobia 26 febroary.

 

 

 Ny alatsinainy 24 febroary lasa teo  no nahazo fitarainana avy amin'ny fokontany Avaratetezana, Ampefiloha Ankeniheny ary Ampandriambehivavy ny polisy avy ao Ambohimanarina fa misy andian'olona lahy sy vavy manarato sy manihaka trondro maloto ao amin'ny ranon'i Masay, Anosy ary Behoririka ary mivarotra izany eny amin'ny tsenan’Ambohimanarina, Talatamaty, Ambohibao ary Ivato. Isaky ny maraina manomboka amin'ny 4 ora maraina ka hatramin'ny 5 ora maraina no fanaovan'ireo olon-dratsy ireo ny asa ratsiny. Gony sy koveta be no hitondran'izy ireo ireo trondro azony  ary entiny amin'ny taksibe 114 sy 194 mamonjy ireo toerana hivarotana azy. Nanoloana izany dia nanantanteraka "barrage routière" ny teto anivon'ny polisy hisavana ireo fiara fitaterana mitondra ireo mpaka sy mpivarotra trondro maloto ireo. Ny marainan'ny omaly alarobia 25 febroary tokony ho tamin'ny 5 ora sy sasany, lehilahy roa avy naka trondro maloto tao amin'ny ranon'i Masay no tra-tehaky ny polisy tao anaty taksibe iray rehefa saika handeha hivarotra izany. Mbola nahitana trondro maloto milanja 15 kilao izy ireo ary harona misy ny fitaovana fandratoana trondro. Rehefa natao fanadiadihana dia niaiky izy ireo fa trondro tao amin'ny ranon'i Masay ireo tratra ireo. Natolotra ny fitsarana omaly izy roalahy.

 

Miteraka fanapiozinana ara-tsakafo , mankarary kibo sy tsinay ary mety tena hahafaty mihitsy ny fihinanana trondro maloto. Izany hoe azo raisina ho mpamono olona tsotra izao ny manarato sy mitsinjara ary mivarotra azy ireny. Izy roalahy ireto aloha no tratra, saingy mety maro no mbola miasa am-pilaminana any ho any; sao dia tokony hasiana “Brigade anti-trondro” maloto hanara-maso tsy an-kiato ireo lakandrano sy farihy eto an-drenivohitra ?

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT