Sosialy

Tratrany nampirafy azy ny vadiny Nitsoraka tao amin’ny tetezan’i Tanjombato ilay lehilahy


  • Alarobia 15 Febroary 2023

Tena hafa dia hafa ny fetin’ny mpifankatia na ny Saint Valentin izay nankalazaina omaly ho ana lehilahy iray monina eny amin’iny distrikan’Atsimondrano iny.

Tratrany nampirafy azy mantsy ny vadiny hoy ny vaovao raha falifaly mifampitantana avokoa ny mpivady rehetra nifanena taminy ka naleony namono tena. Nitsoraka tetsy amin'ny tetezan'i Tanjombato ny anaolahy. Raha ny filazan'ireo olona monina eny an-toerana dia maromaro ireo tranga hita tahaka izao eny amin’iny faritra iny ka tokony handraisana fepetra. Tsiahivina hatrany moa fa mahatratra roa isan-kerinandro raha kely ireo olona mamono tena tonga manatona ny hopitaly HJRA Ampefiloha ka olana ara-pitiavana avokoa ny ankamaroany.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay raim-pianakaviana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT