Sosialy

Tranon` ny mpanjifa 800 ireo fitarainana momba ny JIRAMA


  • Alatsinainy 16 Martsa 2020

Notokanana ny 22 novambra 2019 ny tranon’ny mpanjifa etsy Mahamasina izay mikendry ny hisolo tena ny mpanjifa sy hiaro ny tombotsoany eny amin’ny fitantanan-draharaha sy ny orinasa.

 

 

Tamin`ny taona 2019, dia niisa 800 ireo fitarainana voaray momba ny orinasa JIRAMA raha ny nambaran` i Rakotorova Rabetsara dit Lita, filohan` ny fikambanana miaro ny zon` ny mpanjifa (Réseau National de Défense des Consommateurs) Maro ireo mpanjifa no mitaraina amin` ny fidanganan` ny faktiorany raha oharina amin` ny filany mahazatra. Eo koa ireo mitaraina momba ny dingana arahaina amin`ny fangatahana « compteur ». Misy mpanjifa efa an-taonany maro no nametraka izay fangatahana izay no mbola tsy nivaly kanefa misy ny sasany vetivety dia mahazo “compteur”. 

Fitaovana tsy tomombana

Eo ihany koa ny fitarainana momba ny tsy fahatomombanana eo amin` ny fitsinjirana ny herinaratra sy ny rano. Maherin` ny 120 kosa ireo fitarainana mahakasika ny fitaovana fandanjàna (instruments de mesure) sandoka. Misy ireo kapoakam-bary ampiasaina no manana “double fond”. Misy ireo “balance” no hosoka. Mitobaka hatrany ny fitarainana momba ireo entana lany andro. Any amin` ny faritany, maro ireo fitarainana amin` ireo “yaourt” lany daty mameno vata fampangatsihana fa efa nopotehina avokoa, hoy hatrany ny fanazavana. Isan’ireo asa lehibe tsy maintsy iantsorohan` ny Ministera ny fiarovana ny mpanjifa amin’ny alàlan’ny sampan-draharaha miaro izany ary ny roa tonta dia tokony hiara-hiasa amin’ny fiarovana ny vahoaka amin’ny fiantsenana ataony sy hanentanana azy ireo hanasongadina ny vokatra eto an-toerana ary am-pireharehana amin’ny marika « Malagasy_Ny_Antsika ».

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT