Sosialy

Tranombarotra fivarotana finday sy kojakoja Niampy iray indray ny eto an-drenivohitra


  • Sabotsy 23 Febroary 2019

Mirongatra ny tsy fandriampahalemana eto amintsika. Ankoatra ny sinto-mahery dia mahazo laka ihany koa ny fanendahana.

 

 

 

 

 Noho izay antony izay indrindra dia saika misafidy ny hiantsena amina tranombarotra lehibe ny ankamaroan’ny olona, indrindra fa ny fividianana finday. Antony haneken’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny fanorenana azy ireny izany ho fiarovana ny ain’ny mponina sy ny fananany. Notokanana ny afaka omaly ny tranombarotra IT Station etsy Behoririka izay fivarotana finday sy kojakoja maro samihafa. Tonga nanotrona izany ny solontenan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Andriamampandry Todisoa. Ny mba hahafahan’ny Malagasy miantsena amina toerana raitra no sady misy mpiambina tahaka izao moa no tanjona, tohanan’ny orinasam-pifandraisana Airtel. Tsiahivina fa ahitana rihina efatra ity tranombarotra vaovao ity manana habe 400 m2 isanisany ka natokana hisakafoanana ny any ambony  indrindra. Ho an’ireo mpanjifan’ny Airtel moa dia azon’izy ireo hatao tsara ny mividy puce na finday vaovao miaraka amin’ilay connexion 4 G.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT