Sosialy

Tranom-piantohana MAMA Nijoro ny masoivoho tany Fenoarivo Atsinanana


  • Alatsinainy 09 Martsa 2020

Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny masoivohon’ny tranom-piantohana MAMA teny amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka dia nahazo trano fiantohana Mama vaovao ihany koa ny any Fenoarivo Atsinanana.

 

 

 Tanjona ny hanafahana ny fahasahiranan’ireo mpanjifa mahakasika ny fikarakarana ny fiantohana ny fiarakodia. Tamin’ny faran’ny herinandro teo no nanokanana izany ka hampitombo isa indray ireo mpanjifa mikambana ao amin’ny fiantohana MAMA izay efa tafakatra maherin’ny 304.000 amin’izao fotoana izao. Nanatrika ity lanonana ity ireo olo-manankaja maro, toy ny ben’ny tanànan’ny kaominina Fenoarivo Atsinanana, Masinoraly Stewen Miany izay nanambara fa tombony tanteraka ny fiaraha-miasa amin’ny MAMA ary misitraka izany avokoa na ny orinasa na ny mpitatitra na ny mpanjifa. Nambarany fa sady mariky ny fivoarana no porofo amin’ny fandrosoan’ny tanàna ny fisian’ny fotodrafitrasa manara-penitra sy manaraka ny filan’ny mpanjifa tahaka izao. Tonga tany an-toerana ihany koa ny Tale jeneralin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety eto Madagasikara (ATT), ny Jeneraly Jeannot Reribake izay nanamafy fa vonona hatrany ny ATT sy ny minisiteran’ny fitaterana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny MAMA.

Tsirinasolo

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT