Sosialy

Trano vaovao eny Andavamamba Tontosa ny ankitsapaka ho an'ireo fianakaviana 84


  • Alatsinainy 28 Aprily 2025

Tontosa ny 26 aprily 2025 teo ny ankitsapaka entina mizara ny tranon’ireo fianakaviana miisa 84

hisitraka ireo toeram-ponenana vaovao. Izany dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa Produir. Tamin’ny fomba mangarahara no nanantanterahana izany, hoy ny fampitam-baovao voaray, ary natrehina vaditany sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, indrindra, ireo tokantrano miisa 84. Nanome voninahitra ny fotoana ny minisitry ny mponina sy ny firaisankina, Aurélie Razafinjato, sy ny tale jeneralin’ny fanajariana ny tany, Miangaly Rabodomalala, ny solontenan’ny kaominina Antananarivo renivohitra, ny mpandrindra ny tetikasa ary ireo mpiara-miombon’antoka rehetra. «Zava-dehibe ny fampiroboroboana ny mahaolona. Efa tsara ny trano onenanareo, ny fiainanareo ihany koa tokony mivoatra manaraka izany.», hoy ny minisitry ny mponina sy ny firaisankina tamin’ny hafatra nampitainy tamin’ireo mpisitraka ireo. «Raha tsy nafoinareo ny toerana manamorona ny lakandrano C3 nonenanareo dia afaka niroso tamin’ny fanamboarana io lakandrano io ny tetikasa. Aoka ianareo no ho fitaratra satria izay vao tena manomboka ny asa ho anareo! Manomboka izao, ho tompon-trano ianareo fa tsy ho mpisitraka intsony. Misy andraikitra lehibe miandry anareo, ny voalohany indrindra dia ny fikojakojàna.» hoy ny tale jeneralin’ny fanajariana ny tany tamin’ny fanentanany. Efa miditra amin’ny dingana famaranana ny fanamboarana ny toeram-ponenana vaovao eto Andavamamba, hoy izy. Nanafatra sy nanentana hatrany ny minisitry ny mponina sy ny firaisankina fa zava-dehibe ny ezaka amin’ny fivoarana, indrindra, fa amin’ny lafiny ara-pivelomana. Mila manana velon-tena maharitra. Hanome tantsoroka hatrany ny fitondram-panjakàna amin’izany, ny minisitry ny mponina sy ny firaisankina.
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT