Sosialy

Trano mora eny Imerintsiatosika 320 amin’ireo 2.631 nahafeno fepetra no hosarihina anio


  • Zoma 03 Febroary 2023

Manodidina ny 50 tapitrisa Ar eo ho eo no vidin’ny trano mora iray eny Imerintsiatosika. Manomboka amin’ny 150.000 Ar ka hatramin’ny 200. 000 Ar

ny lela-vola tokony alohan’ireo hisitraka izany amin’ny fitondram-panjakana isam-bolana ka mahatratra 15 taona no faharetan’izany. Izany hoe vita io dia lasa tompon’ny trano ilay olona . Raha araka ny loharanom-baovao azo dia miisa 320 ireo olona tsara vintana hisitraka izany anio. Hotanterahina amin’ity andro anio ity mantsy ny fisarihana ny anaran’izy ireo ao anatin’ireo olona miisa 2.631 isa nahafeno ny fepetra raha nahatratra 3.506 ireo nisoratra anarana. Etsy amin’ny biraon’ny SENVH na ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanana vaovao Anosy no hanatanterahina izany eo ambany fanaraha-mason’ny vadin-tany. Raha araka ny fantatra moa dia miisa 69 ireo mponina avy any amin'ny distrikan’Arivonimamo maniry ny hisitraka izany. Tamin’ny alalan’ny sms na hafatra an-telefaonina moa no niantsona azy 2.631 mianadahy ireo ka havoaka ho fantatry besinimaro ny vokatra aorian’izany mialohan’ny hanasoniavan’izy ireo ny taratasy fifanarahana maro samihafa.
Nangonin’i Pati
Legende : Betsaka ireo maniry ny hahazo ny trano mora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT