Sosialy

Trano miorina ambony fefiloha Olona maro no efa notorian’ny APIPA


  • Zoma 25 Janoary 2019

Tena mitera-doza tokoa ny fipetrahana manamorona ny fefiloha, indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao.

 Mety ho tratran’ny rano tampoka mantsy ny trano misy ireny olona ireny  ankoatra ny fihotsahan’ny tany tampoka mankany anaty rano mety hamoizana ain’olona maro. Olona maro no efa notorian’ny APIPA, raha araka ny fanazavan’ny tale jeneraliny Rateloson Philippe, omaly.  Saika voakasika avokoa ireo olona mipetraka manamorona ireo fefiloha mirefy 12 km amin’ny faritra hiasan’izy ireo fa tsy mety fay. Tsy manaiky ireny asa fanorenana mamoa-doza ireny mantsy izy ireo. Ny kaominina no tena tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ireny trano miorina amina fefiloha ireny sy manome alalana azy ireo. Misy ihany koa anefa ireo manorina tsy maka alalana ka manahirana ny manala  azy. Mikasika ny fiakaran’ny rano manokana dia nambaran’ny teo anivon’ny APIPA fa tsy mbola misy ny atahorana hatramin’ny omaly nahazoana ny vaovao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT