Mbola mahatratra 7, 8 tapitrisa ireo olona tsy manana trano fivoahana manerana ny Nosy raha mahatratra 25 tapitrisa eo ho eo ny Malagasy rehetra Saika manao maloto an-kalamanjana avokoa izy ireo na koa manary maloto any anatin’ireny tata-drano maro isan-karazany ireny.
Anisan’ny tena ahitana azy betsaka ireo faritra iva eto an-drenivohitra toa an’Anosibe izay manenjika tata-drano isaky ny amin’ny 5 ora maraina isan’andro manary ny malotony. Toraka izany koa ny eny Manarintsoa Isotry, Manarintsoa afovoany ka hasavoanan’ny rano maloto eny amin’ny arabe mihitsy ny diky rehefa fotoam-pahavaratra. Mahatsiaro mijaly ireo mponina, indrindra fa ireo manan-janaka latsaky ny dimy taona izay tena marefo tokoa. Ho an’ny fokontany Manarintsoa afovoany dia saika manao maloto eny rehetra eny avokoa ny ankizy madinika rehetra. Ho an’ny olon-dehibe indray dia saika tsy manana trano fivoahana avokoa ny isan-tokantrano ka raha misy aza izany dia trano fivoahana iray ho ana tokantrano miisa 40 isa. Efa nisy ihany moa ny hetsika natao teny anivon’ireny fokontany ireny saingy tsy mbola hita izay tena vokatra azo tsapain-tanana. Tsy mahagaga raha mirongatra sy mahazo vahana ny aretina. Ireo tompon’andraikitra toy ny mpitandro ny filaminana koa etsy an-daniny tsy mandray ny andraikiny na dia mahita ireo olona manary sy manao maloto etsy sy eroa aza.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.