Sosialy

Trano fiantohana Aro Namorona ny tolotra ho an’ireo mpanjifa stratejika


  • Talata 16 Martsa 2021

Nampahafantarin’ny Orinasam-piantohana Aro tamin’ny fomba ofisialy omaly 15 martsa ny fitsanganan’ny

 « Pôle Grands Comptes”, rafitra iray natokana ho an’ireo mpanjifa stratejika na mpanjifa lehibe. Nanatrika io lanonana io tetsy Antsahavola ny Tale Jeneralin’ny Aro Rtoa Lantonirina randrianary sy ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. “Hikarakarana manokana ireo mpanjifa stratejika ireo izahay, ary tsy izay ihany fa hijerena hoe inona ny zavatra ilain’izy ireo amin’ny lafiny fiantohana, hanome tolotra sy vokatra fantatray fa mifandraika amin’ny filany”, hoy ny Tale Jeneraly Rtoa Lantonirina Randrianary. Naneho izy, fa tao anatin’ny 45 taona nisiany, dia nipetraka ho fitaratra sy nametraka tantara hatrany tamin’ny tontolon’ny fiantohana ny aro. Tsotra ny fahombiazana, dia ny fanomezan-danja ny mpanjifa tsy ankanavaka, raha ny fanazavana. Naneho kosa ny Talen’ny Pôle Grands Comptes Atoa Rianando Rakotoarimanga, fa ny tontolon’ny fifaninana ankehitriny dia mandrisika ny orinasa hanatsara sy hanavao hatrany ny paikady hanomezana tolotra sy fahafaham-po ho an’ny mpanjifa, ka vonona tanteraka hamaly ny hetahetan’ireo mpanjifa stratejika araka ny filana tena mifanaraka amin’ny tsirairay izy ireo. Mampitombo hatrany ny tolotra, ka isan’ny tetikasa mandeha amin’izao fotoana izao ny “digitalisation”, ny namoronana ny “Assurance Indicielle Agricole” nanomboka ny novambra 2020 izay fiantohana voalohany momba ny fambolena eto Madagasikara iaraha-miasa amin’ny GIG sy ny PAM,… “56% amin’ny tsenan’ny Fiantohana eto Madagasikara, dia miaraka amin’ny Aro. Mandoa lavitra izahay noho ny sasany izay minia tsy mandoa lasa miteraka olana ho anay, alohanay ara-dalàna rehefa mifanandrify amin’ny voalazan’ny fifanarahana sy ny lalàna” , hoy Atoa kosa Rajaonarison Eugène Tale Ara-barotra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT