Sosialy

Trano fandraisam-bahiny ao Toamasina Nivadika ho « maison de passe » ny ankamaroany


  • Zoma 04 Jona 2021

Nampiditra fatiantoka betsaka sy fandroahana mpiasa maro teny amin’ny sehatry ny fizahantany ny valanaretina Covid-19 ity.

  Tena voamafy tamin’ireo fepetra noraisin’ny fanjakana, indrindra ny fihiboahana natao sy ny fahamehana ara-pahasalamana noraisina ireo trano fandraisam-bahiny somary kely kintana sy ireo mpiseradia samy hafa, ary ireo trano fisakafohanana, indrindra fa ireo tantanan’ny teratany Malagasy ao Toamasina. Raha ny fanazavana azo dia lasa manao « maison de passe » na trano fiarahan’ny mpisakaiza avokoa ireo trano fandraisam-bahiny ireo noho ny tsy fisian’ny mpanjifa avy amin’ireo mpiala sasatra sy mpitsangatsangana. « Mba miaina kely izahay amin’ny fanaovana izany, satria betsaka ny mpamandrika sy mpanjifa amin’izany ankehitriny, indrindra tao anatin’ireo fihibohana sy fikatonana ireny…», hoy izy ireo.

 5000 HATRAMIN’NY 50 000AR

Manodidina ny 5.000 ariary hatramin’ny 10.000 ariary eo mantsy ny hofany efitrano ao anatin’ny adin’ny iray. Misy kosa ireo manao izany ho 30.000 alina ariary na 50.000 ariary ny tapak’andro arakaraka ilay trano fandraisam-bahiny. Izay mazana hilaharana izany indrindra ny faran’ny herinandro sy ny andro fety araka ny angom-baovao natao. Ireo trano fandraisam-bahiny mbola mahazo mpanjifa dia ireo ambony kintana amin’ny fandraisana fivoriana samihafa. Eo koa ny fandraisana ireo mpizahantany anatiny tonga miala sasatra sy ireo vahiny avy any ivelany mangala-dia tonga eto amintsika, saingy vitsy izy ireny nefa mba ahafahana mihodina eny ihany hoy izy ireo. Vokatr’izany rehetra izany, dia efa maro ireo trano fandraisam-bahiny nikatona tsikelikely, na mandroaka mpiasa ho lasa “chomage technique” aloha, na tena mandroaka mpiasa tsotra izao mihintsy noho ny eo am-pelan-tanan’izy ireo tsy maharaka intsony.

MIVADIKA ASA NY MPISERADIA

 Ireo mpiseradia kosa ao anatin’izany toe-draharaha rehetra izany, dia maro amin’izy ireo ny lasa mivadika asa hafa mihintsy, tahaka ny fitondrana Tuc-Tuc na Bajaj, sy misehatra amin’ny resaka ara-barotra samihafa, noho ireo vahiny sy mpizahantany tsy tonga vokatry ny valanaretina sy ny fikatonan’ny sidina ivelany. Ireo trano fisakafohanana moa ao anatin’izany dia miezaka ny mivelona amin’ireo mpisakafo kely azony isan’andro, saingy ireo tantanana teratany Malagasy no tena lasibatra amin’ny fepetra noraisin’ny fanjakana, fa ireo hana teratany vahiny kosa tsy misy sahy mikitika ao anatin’izany.

 

Joel R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT