Sosialy

Trano 10 may tao Antsirabe Ahiana ho tetika hakana tany


  • Zoma 27 Septambra 2019

Tato anatin’ny iray volana dia efa nahatratra 5 ny hain-trano tao Antsirabe tao.

Nitrangana hain-trano indray tao Atsinanantsena ny alin’ny alarobia 25 septambra tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Tranohazo fivarotana avokoa, izay niisa 10 teo ireto kilan’ny afo ireto. Tsy nisy noraisina moa na ny entana na ny trano fa dia lavenona tanteraka. Fivarotana finday isan-karazany, fivarotana fitaovam-panatanjahantena, toeram-pilalaovana “jeux PC” sy fivarotan-kazo sy entana samihafa ireto may ireto. Tsy nisy afaka nanamarina ny niavian’ny afo aloha hatreto ny niharam-boina, saingy tombanan’izy ireo fa sabôtazy ity tranga ity satria misy olana io tany niorenan’ireo fivarotana ireo io. Misy lehilahy iray efa malaza amina fisolokiana tany, izay miara-miasa amina tambajotra toy ny mpitsara sy mpisolovava ary vadin-tany mantsy mitonona ho tompon’io tany io ary tafiditra amin’izany hatramin’ny tanin’ny kaominina fambolena zanakazo aza, izay nolazainy fa azy, no tombanan’ny maro ho ao ambadika satria efa nisy ny hetsika nanesorany ireo olona ireo tany aloha tany saingy resy izy tamin’izany ary niditra am-ponja mihitsy. Rehefa nivoaka izy dia efa nampiomana indray ireo olona ireo sady mitaky vola hofan’ny toeram-pivarotana indray ary dia izao no niafarany. Ahiahin’ny maro moa izany fa andrasana izay hitranga atsy ho atsy.

Caius R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT