Sosialy

Trangam-piarahamonina Nisoloky 400.000 ariary ilay pretra sandoka


  • Zoma 10 Jolay 2020

Naverina niakatra fampanoavana omaly, tetsy Anosy, ny pretra sandoka iray, 63 taona. Nisoloky olona maromaro izy ka tratra ny farany. Milaza izy fa mompera avy any Moramanga.

 

 

Tonga mividy sakafo amin'olona matetika teny Anjanahary, hoy ny fampitam-baovao. Mody manao tsara resaka hatrany amin'ireo roa vavy samy mpivarotra mifanakaiky ka lasa nifankahazatra tamin’izy ireo. Indray andro, gaga ny iray tamin'ireo mpivarotra raha nahita azy efa tao an-trano. Tsy dia nametraka olana tamin'ny fisiany tao loatra ilay ramatoa, noho ny fahatokisana efa nipetraka. Nitoetra tao nandritra ny efa-bolana ilay mpisandoka niaraka tamin'ny entany. Indraindray dia miteny mihitsy ilay pretra sandoka fa handeha hampivavaka any amina paroasy. Alohan'ny hiaingàny dia pasohany eo imason'ny tompon-trano tokoa ny akanjo lava maha mompera sy fitondra manao lamesa. Taorian'izay, niresaka tamin'ilay vehivavy iray hafa mpivarotra izy. Nolazainy fa mampalaelo azy izy miasa mafy nefa tsy dia ampy fitaovana. Nambarany fa misy moto hamidiny mora dia mora aminy. Ilay vehivavy anefa tsy nanam-bola ka nitrosa mihitsy hahazoana io moto io. Rehefa azon'ilay rangahy ny vola 400 000 ariary dia lasa ary tsy niverina intsony izy. Betroka sy teny mahery no nasetriny raha nantsoina izy. Avy eo, novonoiny hatramin'ny findainy. Tsikaritr'ilay mpivarotra teny Antanimena izy andro maro taty aoriana ka nosamborin'ny polisy avy hatrany. Naterina teo anivon'ny SUT Tsaralalàna ary natao famotorana. Nanazava moa ny polisy fa efa betsaka ny olona nosolokiany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT