Sosialy

Trangam-piarahamonina Lahiantitra 80 taona tratra nangalatra akoho


  • Alatsinainy 15 Martsa 2021

Rangahy lehibe 80 taona tratra nangalatra akoho. Toa tsy mampino nefa ity tranga niseho omaly andro alahady tao Beraketa Distrika Bekily ity.

 

 

 

 Haingana tokoa dia niely teny amin’ny tambazotra sosialy ny vaovao. Maro ny fanehoan-kevitra nanoloana izany. Sarotra amin’ny maro no nino, raha izao taonany efa loa-jafy izao no mbola hangalatra. Olona efa tokony hisitraka valimbabena ve no mbola hirona amina halatra ? Sa nialoan-kavana nifindra monina noho ny kere, ka tavela ireny an-tanindrazana ? Na izany aza, ity tranga tia dia porofo mitohoka amin’ny tenda fa dia mafy sady efa lalim-paka ny fahantrana eto Madagasikara.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT