Trangam-piarahamonina

Fatin-dehilahy roa hita teny Ampitatafika sy Ankorondrano


  • Zoma 05 Janoary 2024

Faty roa no indray hita tamin’ny toerana roa samihafa teto

Antananarivo sy ny manodidina omaly 04 janoary 2023 maraina. Lehilahy hita faty teny Ankaditany Ampitatafika akaikin’ny Lisea Ampitatafika. Tsy nisy nahafantatra azy ary tsy nahitana taratasy mombamomba azy. Efa nisy ny fitsirihana nataon’ny mpitandro ny filaminana sy ny mpitsabo. Olona iray hafa ihany koa no hitan’ny olona tao anaty rano teny Antsahatsiresy Ankorondrano ny andron’ny omaly 04 janoary hatrany. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy ireo, fa ilay teny Ampitatafika dia notombanan’ny olona ho voadonan’ny fiara ka maty, ary nariana teny an-toerana. Tsy vao sambany amin’ny fahitana tranga hafahafa momba na fatin’olona mihampatrapatrampatra etsy sy eroa ireny. Sanatria toa matimaty foana ny Malagasy, tsy milamina ny tany, ka tsy fantatra intsony na noho ny tsy fandriampahalemana na noho ny fahantrana lalina, na koa famonoan-tena noho ny adim-piainana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT