Sosialy

Traikefa azo teo amin’ny asa Azo havadika ho diplaoma atsy ho atsy


  • Zoma 27 Desambra 2019

Miroso tsikelikely mankany amin’ny famadihana ho diplaoma ny traikefa azo teo am-perinasa i Madagasikara na ilay antsoina hoe : Validation des Acquis de l’Expérience (VAE).

Tafiditra ao anatin’ny pôlitika nasionaly momba ny asa sy ny fanofanana arak’asa izany (PNEFP), izay efa ao anatin’ny dingana fampiharana, tohanan’ilay fandaharan’asa Programme de développement des capacités pour l’éducation (CapED). Araka ny fantatra dia hanaovana andrana goavana ny VAE amin’io taona 2020 ho avy io, ka sehatr’asa maro no voakasika izay mety hahazoana diplaoma karazany 10. Minisitera maro no efa milaza ho liana amin’ity andrana fampiharana ny VAE ity, toy ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena, ny fanapariaham-pahefana, ny vola sy ny tetibola ary ny fanabeazam-pirenena. Tamin’ity taona 2009 ity moa no namaramparanana ny famolavolana ny drafitra teknika sy ny lalàna mifehy ny momba ny VAE. Efa nisy ny andrana notanterahina tamin’ny sehatr’asa anankiroa, izay heverina ho laharam-pahamehana. Efa nisy ihany koa ny diplaoma natolotra, taorian’izay. Heverina fa ato ho ato dia ho azo atao amin’izay ny mangataka fanamarinana ara-dalàna ny fahaizana azo avy amin’ny traikefa norantovina teo am-perinasa. Raha tsiahivina dia efa nivoaka tamin’ny faran’ny taona 2018 ny didim-panjakana momba ny PNEFP, izay mamaritra ny zo ananan’ny tsirairay hisitraka ny VAE.

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT