Sosialy

Trafika goavana teny Ivato Safira, Emeraude mitentina 2 miliara Ar no tratra


  • Alarobia 20 Oktobra 2021

Sarona indray ny fikasana hanao trafikana harem-pirenena goavana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly talata 19 oktobra.

Mpandeha teratany Sri Lankais saika handeha tamin’ny sidin’ny Ethiopian Airlines no nahatrarana vato sarobidy lafo vidy, toy ny safira sy Emeraude, ary karazany hafa. Araka ny fanazavana nentin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena izay nidina an-tsehatra teny amin’ny seranam-piaramanidina niaraka tamin’ny Tale Jeneralin’ny ladoany, ny Polisy mpiaro ny sisin-tany,… dia nisy zavatra hita, zavatra volomboasary mifatotra tady, noho ny vaovao voaray avy amina olona tsara sitrapo. Noho io toe-javatra hafahafa io, dia voairaka ny manampahefana hijery izany, ka raikitra ny ny fisavana lalina natao, ary nahitana ireo vato lafo vidy be. Olona 2 teratany Sri Lankais no sarona. Ny fanambarana an-taratasy dia nilaza fa 13 205 dolara ny totalin’ny vatosoa nentiny, kanefa 550 000 dolara na 2 miliara ariary mahery (2 035 000 000 ariary) ny tena tomba-bidy, rehefa nozahana ilay entana. Nisy izany ny fanambarana hosoka na “fausse déclaration”, raha ny fanehoan-kevitr’ireo manampahefana notarihin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena. Mbola misy zavatra mavesatra tratra, izay anio no voalaza fa hanaovana fitsirihana na “Expertise” momba izany, raha ny fanazavana. Tsy azo ekena ny zavatra tahaka izao ary tokony samy hiezakany tsirairay hiaro ny mety hofanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena hatramin’izao, hoy ny manam-pahefana. Omaly ihany koa moa no nandeha fitsarana ny raharaha fahatrarana vato 8 kaontera saika haondrana sarona tany Toamasina, ary nanameloka ny fanondranana vato tany Toamasina ihany koa ny fitsarana. Hogiazana, ary misy lamandy hatrany amin’ny 5 tapitrisa dolara,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT