Sosialy

Trafika avo lenta Taovan-kena 27 taonina sarona


  • Zoma 06 Septambra 2019

Vorivorin-kena na tripy sy sokrila milanja 27 taonina no sarona tao amina teratany sinoa tetsy Ampefiloha Ambodirano, Antananarivo. Vokatry ny fiaraha-miasa avy amin’ny olona tsara sitrapo no nazahoana ny loharanom-baovao.

 

 

Nidina nanao ny fisavana ifotony teny an-toerana ny omaly alakamisy 05 septambra 2019 ny avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka be vava eo anivon’ny zandarimariam-pirenena eo Fiadanana sy ny avy ao amin’ny Minisitera ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono (MAEP). Marihina fa misy ny didim-panjakana izay nivoaka tamin’ny volana janoary 2019 mandrara ny fanondranana omby sy izay rehetra mikasika izany. Manoloana ny fandikan-dalana toy izao dia nandray fepetra ny MAEP amin’ ny fanapotehana ireo entana tratra ireo. Aorinan’ny famotorana ity teratany sinoa ity dia ho entina eo anivon’ny ambaratongam-pahefana mahefa ny raharaha. Niova endrika izany ny trafika mahakasika ny omby, ka io tratra io ny fomba fanao vaovao, izay heverina fa mety efa mateti-piseho. Omby heverina fa efa an-jatony maro na an’arivony ihany koa no heverina fa nanangonana an’izany 27 taonina izany, ary mety bizina ihany koa izany fanangonana vorivorin-kena sy sokrila

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT