Sosialy

Traboinan’Anosibe sy Ampamarinana Nifandrimbonana ny fanampiana


  • Alakamisy 28 Febroary 2019

Nanome tanana ho an’ireo olona traboina noho ny hain-trano tetsy Anosibe Andrefana tamin’ny 19 febroary lasa teo ireo orinasa tsy miankina mivondrona ao amin’ny PHSP mitsinjo ny mahaolona tahaka ny Groupe Axian amin’ny alalan’ny fondation Telma.

 

 

Ankoatra izay, tonga teny an-toerana ihany koa ny kaominina Antananarivo (CUA) sy ny solontenan’ny birao nasionalin’ny fitantanana ny loza ara-boajanahary (BNGRC) ary ireo solontenan’ny orinasa tsy miankina nanolo-tanana. Nanolotra vary, voamaina, menaka, siramamy, fitaovana lehibe fasiana rano madio ary fitaovana fivoahana, ireo orinasa tsy miankina mivondron ireo. Trano miisa 32 tafo izay misy fianakaviana traboina miisa 221 no notolorana fanampiana. Rehefa izay dia nihazo ny traboinan’Ampamarinana ahitana 189 tafo mipetraka etsy amin’ny Village Voara Andohatapenaka izy ireo. Nanome fitaovana lehibe 2 fasiana rano madio ny CUA ary nisy ihany koa ny fitaovana hafa avy amin’ireo orinasa tsy miankina hiarovana amin’ny mety ho fiparitahan’ny loto.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT