Sosialy

Traboinan’Anosibe Andrefana II Nokarakarain’ny kaominina


  • Zoma 22 Febroary 2019

Nitondra fanampiana ho an’ireo traboina vokatry ny hain-trano tao Anosibe Andrefana II ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny alatsinainy 19 febroary 2019 lasa teo.

 

 

 Vary, menaka, savony, koveta, seau ary lamba fitafy maro isan-karazany no natolony izay fantatra fa tena ilaina amin’ny fiainana andavanandro tokoa.Delegasioina  mafonja no niara-nirodorodo teny an-toerana omaly, izay notarihin’ny talen’ny fiahiana ara-tsosialy, ny Dr  Andriantseheno Prisca. Tsy nijanona tamin’izay ny fanampiana ireo traboina fa narahana fizahana ara-pahasalamana, tamin’ny fandefasana ireo mpitsabo eny an-toerana hijery sy hitsabo  ireo  aretina mety hahazo ireo  traboina sy ny eny an-toerana. Nanamafy moa ny teo anivon’ny tanànan’Antananarivo fa tokony  hanajanona tanteraka  ny fanorenana ireny trano hazo ireny,  na aiza na aiza ho fisorohana ny tranga  tahaka izao.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT