Sosialy

Traboinan’Ampamarinana Niala teny amin’ny « Village Voara »


  • Alarobia 13 Febroary 2019

Tantara mitohy ny olana mahazo ireo traboina vokatry ny vato nianjera teny Ampamarinana.

 

 

Taorian’ny namindrana ireo tokantrano sasany teny amin’ny tanàna Voara Andohatapenaka ny herinandro lasa teo mantsy  dia efa  saika niverina namonjy ny trano fonenany eny Ampamarinana daholo indray izy ireo. Tsy araka ny nifanarahana mantsy, hoy ny solontenan’ny mponina ny zava-nitranga. Raha apetraka amin’ny box no noeritreretin’ireo mponina  dia trano jiafotsy no novantanin’izy ireo sady tsy misy jiro.  Tsy  misy fiarovana ho an’ny ainay mihitsy izany, hoy ireo mponina ka aleonay  ihany mody.  Ankoatra izay dia nambaran’izy ireo ihany koa fa tsy misy fijerena mihitsy ny asa fiveloman’izy ireo eto an-drenivohitra izay tsy maintsy ilàna saran-dalana 2.000 Ar isan’andro isan’olona raha kely mamonjy an’i Mahamasina. Ho an’ireo fianakaviana rava trano vokatry ny fianjeran’ny vatobe avy nandevina tany Betafo indray dia tsy manana trano hitoerana izy ireo hatramin’ny omaly sady tsy manan-kianteherana intsony ihany koa.  Tapitra rava avokoa mantsy ny tranon’ireo fianakaviany teny Ampamarinana. Miandry vahaolana maharitra avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo ka anisan’ireny ny fanomezana trano ao anatin’ny fifanarahana mazava tsy misy olana.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT