Sosialy

Traboinan’Ampamarinana Nafindra etsy amin’ny INFP sy kianja mitafon’i Mahamasina


  • Zoma 08 Febroary 2019

Omaly alakamisy 07 febroary no fe-potoana farany nomena ireo olona monina eny amin’ny Fokontany Ampamarinana sy ny manodidina tafiditra ao anatin’ny faritra mena, ahiana hisy fihotsahan’ny tany sy fianjeran’ny vato.

 

 Nafindra moramora eny amin’ny INFP sy ny kianja mitafon’i Mahamasina izy ireo araka izany, famindran-toerana tsotra hahafahana miaro ny ain’izy ireo fotsiny fa tsy misy resaka fandrodanana trano, akory. Ny miaramila raha ny fantatra no hiantoka ny fiambenana ny tranon’izy ireo raha ireo karazan’entana tsy afa-miala toy ny fitafiana sy ny lamba firakotra sisa no tsy maintsy entina. Nambaran’ny renim-pianakaviana iray fa nijanona hatreo ilay resaka fandravana trano izay tena nampisavoritaka ny mponina tokoa. Nalana ihany koa ilay peta-drindrina  niparitaka teny rehetra teny  raha ny fanazavany, fa nosoloina vaovao. Asa fanadiovana no fantatra, hoy izy fa hataon’ny fokontany sy ireo tompon’andraikitra maro samihafa ka ao anatin’izany  no hahafahan’izy ireo mamoaka sy mamaritra marina ireo toerana tsy maintsy hialana hahafahana misoroka ny  loza mety hitranga tampoka. Tamin’ny ankapobeny dia maro tamin’ireo olona voakasika no nandefitra rehefa nahare fa tsy horavana ny tranony raha nisy ihany ireo mbola nanda. Ho fitsinjovana ny asa fiveloman’izy ireo sy ny fianaran-janany moa no antony nametrahana azy ireo  manodidina an’i Mahamasina ihany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT