Sosialy

Traboina teny Atsimondrano Adino tamin’ny fizarana Vatsy Tsinjo ?


  • Talata 01 Martsa 2022

Raha nahoraka be teo aloha teo ny fizarana fanampiana “Vatsy Tsinjo” ho an’ireo traboina teto an-drenivohitra vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai dia mbola tsy nahazo ny anjarany kosa ny teny amin’ny distrikan’Atsimondrano

 hatreto. Raha araka ny resadresaka nifanaovana taman’olona dia feo fotsiny ihany no mbola mandeha hatreto fa mbola tsy nisy nahazo ny anjarany eny fa na dia ireo tena niaina tao anaty ranobe sy rava trano aza ary tsy maintsy nafindra monina. Ho ana renim-pianakaviana iray traboina teny amin’iny faritra Tanjombato iny dia fantatra fa ireo fanampiana avy amin’ny Ministeran’ny mponina sy ny kaominina ihany no azony tamin’ny fotoana nahatraboina azy. Ny ankoatra izay tsy nisy, raha araka ny fanazavany. Tsy mbola re feo sy re tsaika ihany koa hatreto ny fanaovana ilay digitalisation ny karinem-pokontany rehetra ho an’ireo izay misoratra ara-dalàna ao amin’ny Fokontany misy azy. Ny kaominina Ankadikely ao anatin’ny distrikan’Avaradrano no fantatra fa efa niroso tamin’ny fanisana ireo mponina ao aminy ho enti-mandrafitra izany tamin’ny herinandro lasa teo. Ireo mponina manerana ny Fokontany miisa 8 mandrafitra ny kaominina no notetezina tamin’izany, hetsika hifarana ny 13 martsa ho avy izao.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT