Sosialy

Traboina noho ny fihotsahan’ny tany Tsy mamela ho irery azy ireo ny Ben’ny tanàna


  • Alarobia 23 Janoary 2019

Hatramin’ny omaly, dia razana 4 no mbola karohina tamin’ireo 18 nihotsahan’ny tany tesy amin’ny fokontany Tsarafaritra Tsimbazaza sy Tsimialonjafy ny sabotsy hariva teo,

 

 

 nandritra ny ora-mikija tsy ankiato narahina varatra  nampianjera hazo lehibe iray izay nahatonga ny loza. Miisa 86 kosa ireo olona tsy manan-kialofana sy voatery nafindra toerana,  ka napetraka etsy amin’ny INFP Mahamasina . Tsy namela irery ireo traboina sy mana-manjo ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) notarihin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, fa tonga nitsapa alahelo ny fianakaviana sady nitondra ny solon-drambon-dandy ho an’ny maty, nisy ihany koa fanampiana toy ny vary, menaka sy kojakoja an-dakozia  natolotra ireo traboina. Nampanantena  Ramatoa Ben’ny Tanàna, fa  hisy ny fijerena akaiky  ireto traboina ireto ara-tsosialy , nisy ihany koa toromarika nomena an’ireo tompon’andraikitra hakana haingana ireo ranon-tany.  Mbola maro ireo toerana tandindonin-doza sy ahiana mbola hihotsaka, ary eo ireo mbola tsy nandao ny trano  fonenany, ka anaovan’ny tompon’adraikitra eo anivon’ny Sampanana mpamonjy voinan’ny CUA etsy Tsaralalana Analakely fanentanana hatrany hialan’izy ireo amin’ireny trano tandindonin-doza ireny, hisorohana ny loza.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT