Sosialy

Traboina mivangongo loatra Zaza iray maty tao amin’ny Gymnase Mahamasina


  • Zoma 21 Janoary 2022

Zazakely iray volana sy tapany no namoy ny ainy vokatry ny tsy fahampian-drivotra sy hamandoana teny amin’ny Gymnase Mahamasina ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy tokony ho tamin’ny 10 ora.

 “Rehefa tratry ny rano izahay, dia nitsikafona be ny rano, efa nentina tamin’ny rano ilay zaza. Lasa izahay nankaty natory taty, taty rano be tao ambanin’ilay lamba, nanomboka nantsiaka sy nikohaka be ilay zaza, nampinonoan’ny reniny dia tsy ninono intsony, ary nentina tany amin’ny Hopitaly”, hoy ny renibeny tao amina fampahalalam-baovao iray. Voalaza fa misy olona mangarom-bava, ka zazakely iray ihany koa no voalaza fa nifanintona tao Mahamasina. Nilaza ireo traboina fa tsy zaka ny fofona, ary tsizarizary ihany koa na ny sakafo na ny torimaso,... “…Tonga teny ny minisitry ny mponina sy ny talen'ny kabinetrany nanatitra vilany be 15 isa teo fa tsy nahasahy niditra tao anatiny tao... Fantatr'izy ireo tsara angamba ny loza mety hitsena azy ao... Dia teny ivelany fotsiny ry zareo eee!!! Tsy hitany mivantana akory ny manjo ireo olona ao... Tsapan'izy ireo angamba fa tena loza no miandry azy ao anatiny ao e? Dia nihainohaino tety ivelany fotsiny... Eto izany tsisy vaovao lainga na hoe faly hisintona lakolosy fotsiny fa matoa izahay miteny sy miantsoantso eto dia misy miantso sy manome vaovao ary manamarina...”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanao gazety iray tao amin’ny tambajotran-tserasera. Maharatra 3076 ireo traboina ao amin'io Gymnase Mahamasina ny alin’ny alarobia, ary voalaza fa tafiakatra 4200 ireo omaly maraina. Ilàna fiheverana mazava ho azy ny resaka fanatobiana ireo traboina mba tsy ho lasa vahaolana miteraka olana. Mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny valanaretina rahateo isika ary ahiana ny hifanapariahana sy hifamindrana valanaretina ao anatin’ny fivangongoana. Manana ny fahefana feno haka fanapahan-kevitra na “réquisition” ny hampiasana ireo tranom-panjakana samihafa handraisana ireo traboina rahateo ny Fanjakana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT