Traboina miisa 400 eny Ambavafolo

Notoloran’ny Mii’zara sakafo mafana


  • Alatsinainy 03 Martsa 2025

Nisy ny takarivan’ny zoma teo ny hetsika fanomezana sakafo mafàna sy lamba firakotra ary

akanjo fitafy ho ana traboina miisa 400 mahery anatina tokantrano miisa 127 notontosain’ny fikambanana Mii’zara tamin’iny lalam-baovao eo Ambavafolo, sampanana Anosy avaratra iny. Tanjon’ny fikambanana hatrany, hoy ny filohan’izy ireo, Fafah Rarivo, ny hanampy ny olona miaina anaty fahasahiranana, izay fantantsika fa maro amin’izao fotoana izao. Izay, hoy izy, no nahatongavanay nanatontosa izany asa soa izany. Hatreto dia mbola maro ireo mponina tsy afa-miverina any an-tokantranony satria mbola tena miakatra ny rano. Iarahantsika mahita izany. Tafiditra any an-tranon’ireo mponina izany rano izany ka mahatonga azy ireo tsy maintsy atoby amin’ireny trano lay ireny aloha. Iarahantsika mahita io fa anaty rivodoza ny andro, mangatsiaka nefa matory amin’ny tany ireo olona ireo anatin’io trano lay kely io. Izay no anton’ilay ezaka hoe aleo sakafo mafana sy izay mafana rehetra no atolotra azy ireo, hoy hatrany ity fikambanana ity.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT