Sosialy

Traboina eny amin’ny faritra iva Mbola somokotra amin’ny fiverenana an-tokantrano


  • Alakamisy 03 Febroary 2022

Mbola somokotra amin’ny fiverenana ao an-tokantranony avokoa ny ankamaroan’ireo traboina amin’izao na dia mbola ho avy aza ilay rivo-doza Betsiray izay lasa miteraka resabe eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

 Raha araka ny resaka nifanaovana tamina Renim-pianakaviana iray monina eny amin’ny Fokontany Avaratetezana Ampitatafika dia ny hamonjy ny trano fonenan’izy ireo aloha no mahamaika azy amin’izao hanarahany maso ireo fananany nahiany ho very….Nisy tamin’ireo fananan’ny mponina teny an-toerana mantsy no fantatra fa nisy nitaona tamin’ny lakana nandritra ilay andro ratsy nitera-doza farany teo. Nambaran’ity Renim-pianakaviana ity moa fa efa fantany ny vaovao mikasika ilay rivo-doza Betsiray izay tsy maintsy handalo eto amintsika. Na izany aza anefa dia mbola tsy mivonona hitady toerana hifindrana izy ireo. Mbola maina aloha ny andro hatreto hoy izy ka hararaotina kely hanadiovana ny ato an-trano sy hamoahana ireo entana efa bobongolon’ny rano nandritra ny andro maromaro. Araraotina kely ihany koa ny masoandro mipaoka hoy izy hanasana lamba. Raha fehezina araka izany dia mbola tsy rototra akory ny amin’ny fiavian’ity rivo-doza ity ireo mponina monina amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT