Sosialy

Traboina eny 67 ha Fianakaviana 161 tsy mahita aleha


  • Zoma 21 Aogositra 2020

Fianakaviana 161 tamin’ireo miisa 500 traboina vokatry ny haintrano nitranga tetsy Andohatapenaka ny volana Jona lasa teo no tsy mahita aleha.

 

 

 

 Mbola miaina sy mivelona ao amin’ilay tany malalaka fanaovam-baolina an’ny HAVANA etsy amin’ny 67 ha ihany hatreto izy ireo, tany izay hindramina raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Raha araka ny fanadihadiana natao dia tsy misy mahazaka azy ireo ny havany ho an’ireo mba manan-kavana ihany. Ho an’ny sasany indray dia any ambanivohitra lavitra no misy ny tanindrazany. Ny vola hatao saran-dalana nefa tsy misy raha mbola tsy misy fiara fitaterana rahateo eto amintsika noho ny fihibohana. Na izany aza dia fantatra fa mba manao izay asa vitany hahafahany mivelona ihany izy ireo. Mibata entana na mitarika posy ohatra no hataon’ireo lehilahy sasany raha mivarobarotra kosa ny vehivavy. Tonga nanatitra fanampiana ara-tsakafo ho azy ireo ny masoivohin’i Torkia miasa sy monina eto amintsika izay nampanantena fa mbola vonona ny hanohana ireto traboina ireto hatrany. Tsiahivina moa fa miisa telo ireo Renim-pianakaviana traboina tera-bao hatramin’ny namindrana azy ireo tao amin’ity tany malalaky ny Havana 67 ha ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT