Sosialy

Traboina any Bekopaka Miantso vonjy fa tsy misy mpijery


  • Alakamisy 26 Janoary 2023

Anisan’ny faritra nitondra faisana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso ny Faritra Melaky. Ny any Bekopaka no tena lasibatra tamin’izany nahitana tokantrano miisa 10 raha am-polony kosa ireo traboina.

Tsy misy mpijery anefa izy ireo hatreto. Na ny hanina hohanina aza tsy misy hoy ireo tompon’andraikitra any an-toerana raha toraka izany ihany koa ny trano hisitrahany. Miantso ny Fitondram-panjakana araka izany ny mponina mba hijery akaiky ny zava-misy. Fa ankoatra izay dia tapitra maty avokoa ireo fambolena any an-toerana toy ny katsaka, ny vary… koa ahiana ihany koa ny mosary ho an’ity Faritra iray ity. Hatramin’ny omaly moa dia mbola mitampify any amin’izay toerana hahafahany misitrika monja ireo traboina. Misy manan-kavana ihany saingy tsy zakan’ny havany.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT