Sosialy

Traboina any Befotaka Nalatsaka tamin’ny fiaramanidina ny fanampiana


  • Zoma 18 Febroary 2022

Mbola misy hatreto ireo toerana saro-dàlana kanefa traboina, ka voatery amin’ny alalan’ny fiaramanidina no hanaterana ny fanampiana.

 Mitohy hatrany ny fanampiana ataon’ny Tafika ho an’ireo traboina tao aorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai, any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara. Araka izany, nalatsaka tamin’ny alalan’ny fiaramanidina Cessna omaly tao Befotaka ireo fanampiana, araka fampitam-baovao. Nanomana izany ireo miaramila avy ao amin’ny ZDS Matitanana, ka mitsinjara ho 25 kilao isaky ny gony izany, mba hanamora ny fandatsahana azy. Naneho fankasitrahana ny Tafika ny Governoran’ny faritra Atsimo Atsinanana nandritra ny fihaonany tamin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Tsy mijanona hatreo anefa ny andraikitry ny Tafika fa miara-misalahy amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ihany koa ireo miaramila mpitsabo manao vonjy aina sy fizaham-pahasalamana ny vahoaka any an-toerana. Mitarika azy ireo amin’izany ny Profesora Rakotondrainibe Willy sy ny Médecin-Colonel Ravoavy Hariniaina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT