Very fanahy mbola velona ! Nimenomenona ireo traboina napetraka eny Andohatapenaka, nalaza fotsiny tany am-boalohan’ny loza ireo mpitondra, hoy izy ireo, fa nanjavona ny fandraisan-tanana amin’ny fitsaboana.
Tsy nitohy intsony izay fandraisan'ny Fitondram-panjakana ireo maratra nianjeran'ny vato teo Ambanin'Ampamarinana, nefa mbola lavitr'ezaka ny fitsaboan'ny fianakaviana an'i Christine izay tapa-tanana sy vaky loha ary ny anadahiny izay tapaka taolan-damosina. " Niverina teny amin'ny Hopitaly Ampefiloha HJRA izahay, anatanteraka "contrôle" ny fahasalaman'ireto havanay ireto. Kinanjo hoy ny mpiandraikitra tao hoe : "Efa nivoaka ny toeram-pitsaboana ianareo ka hatreo ihany ny anjaranay, Hopitaly". Sanganehana teo izahay ary niverina tety Andohatapenaka" Hoy i Melanie sy ny fianakaviany nifandrombaka nilaza ny olany. Velon'ahiahy mikasika ny ho fahaverezan'ny vola nosamborina nividianana fanafody sy kojakoja maro be tahaka ny "plâtre" izay tsy nisy tao amin'ny HJRA ka voatery novidiana tany ivelany izy ireo. Mbola fahasahiranana goavana ny miandry ny fianakaviana, hoy hatrany izy ireo fa ny marary mbola mitohy hatrany ny fanafody fa efa lany ilay fanafody roa baoritra kely nampitondrain'ny hopitaly tapa-bolana lasa izay, manginy fotsiny ny fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo ray na renin'izy ireo, indrindra amin'ny fotoana hanalana ny vy ao anaty nofo. Mbola mipetraka ho baraingo ihany koa ny ho fandraisan'ny Fanajakana ny fiainan'ireo zokiolona roa izay tsy hahavita hiatrika fivelomana intsony. Mbola miandry fatratra ny toerana hametrahan'ny Fanjakana azy ireo fianakaviana 5 sisa tavela ao Andohatapenaka. Araka ny voalazan'ny Prefen'ny Polisy eto Antananarivo mantsy, vahaolana vonjimaika ihany izao fonenana eny amin'ny "village voara" izao fa ny Fitondrana foibe no miantoka ny maharitra. Nomarihin’izy ireo fa nanome fitaovana sy sakafo ihany ny BNGRC tany amboalohany saingy tsy izy ireo no misahana ny fanafody.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.