Sosialy

Tovovavy namono tena teny Andohatapenaka Vokatry ny resa-pitiavana


  • Alakamisy 30 Janoary 2020

Tovovavy iray manodidina ny 25 taona, omaly maraina tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany no nikasa hamono tena teny Andohatapenaka ampitan’ny kianja Maki, lalovan’ny reniranon’Ikopa.

 

 

Ireo vehivavy  mpanasa lamba teny amin’iny faritra iny no nahita izany tampoka  ka  niantso ny manodidina sy nifandrimbona namonjy ilay tovovavy. Araka ny fanazavan’ireo mpanasa lamba ireo dia mody nipetrapetraka nanakaiky azy ireo ity tovovavy ity talohan’izao fikasany hamono tena izao. Tsy nitondra na inona na inona anefa ny tovovavy sady mbola nanontany raha lalina ilay rano. Namaly avy hatrany moa ireo mpanasa lamba fa lalina ilay rano ka avy hatrany dia nitsoraka izy. Nilentina in-telo izy saingy mbola nanam-bintana ka avotra soa aman-tsara ihany. Raha araka ny vaovao azo dia olana ara-pitiavana no antony namonoany tena. Nentina notsaboina avy hatrany izy. Ankoatra ny fikarakarana ny fahasalamany dia nomen’ireo mpitsabo tohana ara-tsaina ihany koa izy. Tsiahivina fa iray isan-kerinandro raha kely ireo olona mamono tena tonga manatona ny hopitaly HJRA etsy Ampefiloha.

Pati

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT