Sosialy

Tovovavy Malagasy 100 amin’ny 1.000 no miteraka alohan’ny 19 taona


  • Alarobia 14 Febroary 2018

Ny 32 %-n’ny mponina eto amintsika dia ankizy sy tanora eo anelanelan’ny 10 ka hatramin’ny 24 taona avokoa. Ny antsasak’izy ireo mahery dia latsaky ny 20 taona avokoa, izany hoe ao anatin’ilay taona fialan’ny ankizy sakana.

 
  Betsaka amin’izy ireo no efa miditra eo amin’ny sehatry ny fitiavana sahady ary efa tonga hatrany amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo mihitsy. Vao 15 taona mantsy ny tanora eto amintsika, araka ny fampitam-baovao teo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka, dia efa manao izany sahady hany ka 100 amin’ireo tovovavy miisa 1.000 no miteraka alohan’ny faha-19 taonany, izany hoe efa  reny sahady. Mihatanora loatra ireo mpifankatia eto amintsika. Ny fitiavana no lasa mibahan-toerana fa tsy ny fianarana intsony izay tena miantoka ny ho avy iray manontolo. Amin’ny ankapobeny anefa dia miteraka voka-dratsy eo amin’ny fiainan’ny tanora izany, indrindra fa ny zazavavy. Betsaka ireo lasa mibaby kitra tsy fidiny ankoatra ireo alain’ny rain-janany vady ihany saingy tsy mahita hasambarana mihitsy ao an-tokantrano. Tsy misy hasambarana azo ao anatin’ny tokantrano noteren’ny zava-misy mantsy na ny vohoka tsy niriana. Ankoatra izay, anisan’ny antony miteraka ny fahafatesan’ny reny sy ny zaza eo am-piterahana ihany koa ny fisian’ireo ankizivavy kely mitondra vohoka aloha loatra. Manana andraikitra lehibe amin’izany ny ray aman-dreny, ny mpanabe, ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’izao fankalazana ny fetin’ny mpifankatia marihina anio alarobia izao mba hahafahana manana tanora vanona sy vonona hiatrika ny fampandrosoana ny firenena.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT