no atao hoe ady amin’ny fahantrana!»
Tontosa ny sabotsy teo tetsy Ankorondrano ny fivoriamben’ireo mpiara-miombon’antoka na «actionnaires» eo anivon’ny banky malagasy NIM na «Nouvelle institution de microfinance». Manodidina ny 12 miliara Ariary amin’izao fotoana izao, hoy ny filohan’ny filankevim-pitantanana na PCA eo anivon’ity Banky ity, Tovonanahary Rabetsitonta, ny renivolan’izany fampindramam-bola madinika izany. Notokanana teny an-toerana tamin’io fotoana io ihany koa ny ivotoerana na «agence» faha-22 azy ireo manerana an’i Madagasikara. Miisa 153 ireo mpiara-miombon’antoka ankehitriny. Mahafaly fa tsy miisa 4 monja intsony, araka izany, ireo mpiara-miombon’antoka ary ny faniriana aza dia mbola hitombo betsaka noho izao izany ahafahan’ny malagasy misitraka izany fiaraha-miombon’antoky ny samy malagasy izany. Ny mahafinaritra dia vitsy dia vitsy ny tsy mahavelom-bolo tao anatin’izay fotoana izay ary rehefa misy ny fahasahiranana amin’izay tsy famerenam-bola izay dia mifanampy sy mifanome torohevitra foana amin’ny fisamboram-bola ny banky. Tsy mihoatran’ny 2,5% no manana olana amin’ny findramam-bola amin’izao fotoana izao. Ny antony dia somary nanahirana ny fandraharahana teto amintsika noho ny fisian’ny krizy nandalo teo. Rehefa naheno ny olona fa tratra ny fampitomboana ilay renivola, izay 4 lavitrisa lasa 12 lavitrisa Ariary, dia marobe ankehitriny ireo olona manatona aty hoe mbola ho tohizana ve ny famenoana ilay renivola? Mbola ho tohizana satria betsaka ireo tanora te hanangana orinasa madinika sy salantsalany fa tsy mahazo vola amin’ilay banky mahazatra. Aty amin’ny mpampindram-bola madinika, noho izany, izy ireo no mitodika. Tratrarina ho 30 miliara Ariary ny renivola afaka herintaona mba hahafahana manampy ireo tanora hanangana orinasa madinika sy salantsalany. Rehefa mitombo ny orinasa dia izay no atao hoe ady amin’ny fahantrana! Rehefa mamokatra ny olona dia mora resy ny fahantrana! 35.000 izao no isan’ny kaonty amin’ny banky misokatra ato. Tanatin’ny 3 taona fotsiny izay. Ny tanjona izany, afaka 3 taona, dia hahatratra 100.000 izany ary ho tratra io. Mitombo tsinona ny mpiara-miombon’antoka ary mahatratra 11 miliara Ariary izao ny petra-bola voaray. Ireo vola ireo indray izany no ampiasaina ho samborin’ny hafa miaraka amin’ny petra-bola iaingana na «fond propre». Maro ireo orinasa any ivelany saika hividy ity banky ity saingy tsy nekenay. Aleo ny NIM an’ny malagasy sy hanampiana ny malagasy. Madagasikara ho firenena miakatra amin’izay no tanjona ary ny fahalalahana anatin’izao fitondrana vaovao izao, indrindra ny ady atao amin’ny kolikoly sy fitantanana tsy marina, dia hanampy sy hampiroborobo be ny orinasa eto Madagasikara. Mavitrika mihindram-bola ato ny vehivavy satria tsy dia goavana be ilay vola indramina ary ny vehivavy manampy ao an-tokantrano no mihindram-bola aty. 55%n’ny mpihindram-bola eo ato dia vehivavy, hoy hatrany ny PCA an’ity banky ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.