Sosialy

Tovonanahary Rabetsitonta Olan’ny tantsaha ny tsy fananam-bola


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Tsy afaka mividy masomboly sy zezika akory ny ankamaroan’ny tantsaha eto Madagasikara, hoy ny filohan’ny Antoko Politika Grad Iloafo Tovonanahary Rabetsitonta. Antony ny tsy fananan’izy ireo vola, hoy izy,

 

 

 

 hany ka tsy afaka miasa amin’ny tany izay mbola tena midadasika eto Madagasikara ny tantsaha. Ilaina ny fanomezana ny vahaolana ny tantsaha amin’ny famatsiana azy zezika sy masomboly ary eo ihany koa ireo fanafody hiadiana amin’ireo bibikely mety manimba ny vokatra. Nampahafantatra ny fanampiany ny tantsaha tetsy amin’ny tsenaben’ny tantsaha iraisam-pirenena ara-pamokarana i Tovonanahary Rabetsitonta. Rehefa mamokatra ireo tantsaha ampiany ireo dia izy ihany no mividy ny vokatra amin’ny sarany mirary ary aorian’izay vao mamerina ny vola nilainy sy nampiasainy tamin’ny fanatsarana ny vokatra ny mpamboly. Tsy misy zana-bola ny fanampiana ny tantsaha fa fiarahana hiombon’antoka, hoy izy ary izany no hahalasa lavitra ny fambolena eto Madagasikara. Hiakatra amin’izay ny fidiram-bolan’ny tantsaha. Raha hahazo famatsiana tahaka izao ireo mpamboly rehetra ireo dia tena hahavita tena ara-tsakafo i Madagasikara ka afaka hanondrana vary mankany ivelany

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT