Sosialy

Tovolahy vao 15 namoy ny ainy Voalaza fa nodarohana miaramila


  • Alatsinainy 14 Jona 2021

Tsy hita nanomboka ny alahady hariva 6 jona 2021 teo ity zazalahy kely iray, saingy hita faty ny abotsy 12 jona 2021 teny am Hopitaly HJRA.

 

 Rambolamendrika Nasandratra Valimbavaka no anarany ; 15 taona; classe de 3 eme ao amin'ny sekoly Fanovozantsoa FJKM Ivato Seranana, izay vao namoy ny rainy 2 volana lasa izay, araka ny fanazavana. Nilalao teo akaikin’ny “terrain de basket” an’ny BANI Ivato ity zaza ity ny alahady 6 jona hariva teo. Nisy mpangalatra bisikileta tratra, avy eo anefa dia nisy nahita an'io zaza io nenjehin’ny miaramila izay voalaza fa avy ao amin'ny BANI Ivato nikasi-tànana sy namono io zaza io, raha ny vaovao sy ny resaka niely. Nitady azy ny fianakaviany nanomboka ny alatsinainy teo ka nilaza izy ireo fa narirariran'ny miaramila tao amin’ny BANI Ivato satria ny olona rehetra dia nieritreritra fa nidina tao am BANI Ivato io ankizy io. Nisy manamboninahitra tao amin’ny BANI nilaza tamin ny zoky vaviny fa naterina tany amin’ny “Urgence” izy, hoy hatrany ny fitantarana. Rehefa nojerena anefa ny tao amin’ny “Urgence” dia tsy hita tao sady tsy tao anaty lisitry ny marary. Araka ny voalaza dia naterina tamin’ny fiara “4X4” an’ny BANI ihany io zaza io ary efa tao amin'ny tranom-paty no hita. Omaly no voalaza fa atao ny “autopsie”, ary araka ny nambaran'ny havany dia nivoaka ra ny sofiny. Anio alatsinainy no hanantanterahana ny fandevenana ary apetraka eo akaikin ny Rainy izay maty vao 2 volana monja izy. Maro be ireo mpisehatra tao anatin’ny tambajotra sosialy hatry ny omaly tolakandro no nankahery ny fianakaviany, ary mangataka amin’ny tompon’andraikitra rehetra mba hijery ny tena marina amin'izao toe-javatra izao fa tsy sanatria ho vita moramora foana satria na inona na inona mety ho antsony, tsy ao ekena izany fidarohana zaza tsy ampy taona ary nitarika fahafatesana izany.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT