Sosialy

Tovolahy nisaraka tamin’ny olon-tiany Naparitany ny sary mamoafadin’ilay tovovavy


  • Zoma 05 Jona 2020

Tovovavy iray no nametraka fitoriana teo anivon’ny sampan-draharaha miady amin’ny Cybercriminalité eo anivon’ny Polisim-pirenena

 

 

 noho ny fiparitahan’ny horonan-tsary mamoafady izay mahakasika azy tao anaty tambazotran-tserasera Facebook sy tranokala iray .Araka ny nambarany dia kaonty vorondolo na « compte fake » no namoahana izany. Rehefa natao ny fikarohana sy ny fanadihadiana dia fantatra fa ilay olon-tiany taloha no naka an-tsokosoko ireo horonan-tsary ireo ary tsy nisy fifampierana taminy izany . Volana vitsivitsy taorian’ny nandraisan’ilay tovovavy fanapahan-kevitra ny hisaraka amin’ilay tovolahy no niparitahan’ireo sary sy horonan-tsary mamoafady ireo tao anatin'ny tambazotra, raha ny fanamarihan’ilay tovovavy. Ny 2 jona teo moa no natolotra ny Fitsarana ny raharaha ary dia naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ilay tompon’antoka tamin’ny fanapariahana ireo sary sy horonan-tsary ireo, raha ny fampitam-baovao hatrany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT