TOVOLAHY 20 TAONA

Olana ara-pitiavana no nitsorohana tao ambany kamio ?


  • Alarobia 05 Jona 2024

Tovolahy iray manodidina ny 20 taona no fantatra fa maty voahitsaky ny kamiao

omaly Talata 04 Jona tany Ambanja Centre. Raha araka ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso dia safidin’ity tovolahy ity mihitsy ny namono tena. Raha vantany vao nandalo mantsy ilay kamiao dia nihazakazaka nitsofoka tao ambany kodiarana izy ka maty tsy tsa-drano. Mbola ny vaovao azo ihany no nahafantarana omaly hariva fa nanana olana ara-pitiavana ity tovolahy ity, antony namonoany tena tahaka izao. Ankoatra ny fiatrehany ny fiainana isan’andro izay tena efa sarotra mantsy dia fantatra fa mbola nanana olana tamin’ny olon-tiany ihany koa izy. Naleony nisafidy ny handao ny tany noho izany. Na izany aza anefa dia ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany no tena hanamarina izany na tsia.
Pati
Legende : Naleon’ilay tovolahy nandao ny tany tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT