Sosialy

Totoafo ny fanalana ny fakon’Iarivo Nanampy kamiao miisa 20 indray ny CUA


  • Sabotsy 01 Desambra 2018

Mitohy hatrany ny fanomezan-tanana ny SAMVA amin’ny fanesorana ny fako eto amin’ny tanànan’Antananarivo ataon’ny CUA, na tsy andraikiny aza izany,

 

 araka ny toromarika nomen’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, sy ny mpanolotsaina manokana, Marc Ravalomanana satria mila miaina amin’ny tanàna madio maha te-honina ny mponina eto Antananarivo Renivohitra. Arak’izany, ho tohin’ny fanomezan-tanana ny SAMVA tamin’ny fanesorana ny fako efa ho 2 herinandro izao, izay nampiasana tractopelle miisa 3 sy kamiao lehibe miisa 24, manampy ny an’ny SAMVA miisa 14 dia kamiao miisa 20 indray, izay fiarahan’ny CUA sy olona mpandraharaha malalatanana no hanala ny fako amin’ny andro antoandro nanomboka omaly zoma 30 novambra, ka hatramin’ny talata ho avy izao. Nisy ny fidinana teny amin’ny SAMVA Nanisana nataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) notarihin’ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna Olivier Randrianarisoa sy ny delegen’ny boriborintany 6 ary ireo ekipa teknika eto amin’ny tanànan’Antananarivo nandamina niaraka tamin’ny SAMVA amin’ny tetikasa matotra amin’ny fanesorana ny fako. Manomboka izao dia hisy ny fanaraha-maso ireo kamiao, ka hisy ekipan’ny kaominina hanaraka ireto farany araka ny nambaran’ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna, Olivier Randrianarisoa, mba tena handeha araka ny tokony ho izy ny asan’izy ireo. Atao hatrany ihany koa etsy an-daniny ny fanentanana ny mponina amin’ny fitandroana hatrany ny fahadiovana satria mandrora mitsilany ihany ny rehetra. Mila tonga saina foana amin’ny hoe: rehefa tsy mandoto dia efa naman’ny manadio. Fihetsika heverina faran’izay mora ny manao izany, saingy toa sarotra ho an’ny olona. Tsy vahaolana ny mifanome tsiny sy manenjika ny mpitantana ny tanàna lava, ary anisan’ny goavana ny fahatongavan-tsain’ny isam-batan’olona.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT